Nitondra fanazavana ny eo anivon’ny Ceni momba ny tetiandrom-pifidianana ho an’ ny ben’ny Tanàna sy ny depiote. Nambaran’ny mpampaka-teny, i Soava Andriamarotafika, fa tokony hiandry ny fikatonan’ny lisitry ny mpifidy, aorian’ny 15 mey vao hirosoana ny fifidianana amin’ity taona ity. “Io lisitra nasiam-panitsiana io no hampiasaina mba tsy ho very zo ireo mpifidy maniry ny handray anjara amin’izany fifidianana eny ifotony izany”, hoy izy. Tombanana, araka izany, fa any amin’ ny volana jona any vao azo irosoana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny depiote. Nanteriny fa efa lasa tanteraka ny fahavaratra amin’izany fotoana izany ka tsy tokony ho olana intsony.
Na izany aza, andrasana ny ho hevitry ny eo anivon’ny governemanta vao afaka manapaka ny tetiandrom-pifidianana ny avy amin’ny Ceni. Eo koa ny momba ny tetibola hiatrehana izany. “Hatao indray miaraka ve ny fifidianana roa samihafa ireo sa samy handeha tsirairay ? Mbola ankinina amin’ny fahefana mpanatanteraka koa izany. Mety mbola hahitsy ny tetibola ho an’ny taona 2024”, hoy ihany ny eo anivon’ny Ceni. Mety hanantombo betsaka raha mitaha amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny ho fandaniana amin’ireo fifidianana roa ho avy ireo.
Synèse R.




