Lozam-pifamoivoizana: 75 ny olona namoy ny ainy

Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana tao anatin’ny herinandro. Rangory fototry ny afo ny hamamoana sy ny tsy fitandremana. Tafakatra 75 ny maty tamin’ny taon-dasa.

Namoizana aina am-polony ny fisetrasetrana sy ny tsy fitandremana nataon’ny mpamily sy ny mpampiasa lalana nandritra ny taona 2023. Nahatratra 75 ireo namoy ny ainy tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitra teo anivon’ny Polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana (BAC). Lohalaharana amin’ireo tra-doza hatreto ny fiara. Mi­fanahatahaka ihany koa anefa ny mpitondra kodiaran-droa toy ny moto “scooter”. An­koatra ny tsy fanajana lalàna mifehy ny fifamoivoizana ataon’ny ankamaroan’izy ireo, mitarika amin’ny lozam-pifamoivoizana koa ny hamamoana. Mitotaly 108 ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fisotroan’ny mpamily sy ny mpitondra moto toaka ho an’ny taona 2023, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny polisy.

538 naratra…
Tamin’ireo lozam-pifamoivoizana 610 nandritra ny taona 2023, olona 538 no naratra. Voakasika anatin’izany avokoa ny mpandeha an-tongotra tsotra, mpitondra fiara hatramin’ny mpitondra moto. Etsy ankilany, mirongatra hatrany ny lozam-pifamoivoizana hatramin’ny fiantombohan’ny taona 2024.
Olona miisa telo namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro ho an’ny teto an-dRenivohitra. Anisan’izany, ilay tovolahy maty teo Mahamasina sy ilay mpianatra nifatratra ambany kamiao teny Lalam-baovao Tsarasaotra.

Tsiferana R.

Partager sur: