Namaly ny fangataham-panazavana nataon’ny Praiminisitra momba ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ny eo anivon’ny HCC. Mijanona amin’ny toerany aloha izany ireo olom-boafidy eny ifotony.
Nambaran’ny avy etsy Ambohidahy fa mitantana vonjimaika mandra-pahatongan’ny fifidianana eny ifotony aloha izany ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, lany fe-potoam-piasana ny 10 janoary lasa teo, ireo. Manohy izany mandra-pahatongan’ny olom-boafidy vaovao izy ireo. “Tafiditra amin’ny fiantohana sy ho fanohizana ny asa ho an’ny filàn’ny vahoaka eny anivon’ny kaominina izany”, hoy ny eo anivon’ny HCC.
Etsy andaniny, nambaran’ ny HCC fa hirosoana kosa ny fametrahana delegasionina manokana (PDS) raha toa ka misy fahafatesan’ny ben’ny Tanàna, na fahabangan-toerana, na fialàna an-daharana sy fametraham-pialàna. Tahaka izany koa raha niseho ny fanonganana azy ireny. “Tanterahina izany rehefa voamarin’ ny Tribunal administratif ka manohy ny asany ny PDS mandra-pahavoafidy ny ben’ny Tanàna vaovao”, hoy ny HCC.
Hametrahana PDS Antananarivo Renivohitra
Miavaka kosa izany ho an’Antananarivo Renivohitra, amin’ny hametrahana PDS, mifanaraka amin’ny lalàna.
Mametra-pialana avy hatrany amin’izany andraikiny izany kosa ireo ben’ny Tanàna sy ny lefiny ary ireo mpanolotsaina ireo raha ho kandidà, aorian’ny fandraisan’ny rafitra misahana ny filatsahan-kofidiny. “Miantoka ny fitantanana vonjimaika ny kaominina kosa, araka ny fanendrena mifanaraka amin’ny laharany ny lefitra manaraka”, hoy ny eo anivon’ ny HCC. Tafiditra ao anatin’ izany fametraham-pialana izany koa ireo PDS raha hirotsaka hofidina.
Tsiahivina fa nanontany ny hevitry ny HCC ny Praiminisitra manoloana izao fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ ireo olom-boafidy eny ifotony ireo izao.
Synèse R.




