Amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona, nisy ny fivoriana, atrikasa, natao tao Antsirabe, faritra Vakinankaratra, afakomaly. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny governoran’ny faritra. Niatrika izany ny olom-boatendry sy olom-boafidy eny ifotony, toy ny lehiben’ny distrika sy ny lehiben’ny fokontany mbamin’ny ben’ny Tanàna, Antsirabe I sy II; ny eo anivon’ny Emmo/Far, faritra Vakinankaratra… Tanjona ny fihainoana ny olana sy ny hetaheta any ifotony.
“Natao hiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona”, hoy ny filohany, ny Jly Ravalomanana Richard. Nisongadina tamin’ny fihaonana ny famoahana ny olana ifotony. Manomboka eny amin’ny fokontany sy kaominina izany, araka ny fanazavany. Antom-pisian’ ny tomponandraikitra isan’ambaratonga ny fandraisana andraikitra. Rehefa tsy voavahan-dry zareo izay, anjarany ny miteny amin’ny Antenimierandoholona. Ity farany no mampita any amin’ny minisitra tomponandraikitra na ny Praiminisitra amin’izay fangatahan’ny vondrom-bahoakan itsinjaram-pahefana izay. ”
Raha ilaina, voatery hanolotra tolo-dalàna ny Antenimierandoholona amin’izay hetahetan’ny olona ary hodinihina ny mety hanaovana izany”, hoy izy.
R. Nd.




