Ladoany : hampihena ny fandaniana ny «Smart scanning»

Fiovana lehibe ho an’ny sehatry ny fadintseranana ny tetikasa « Smart scanning ». Fitaovam-pitiliana hampiasana ny teknolojia niomerika, hampihenana ny fotoana sy ny fandaniana ho an’ny mpandraharaha.

Natao tany Toamasina, omaly, ny fankakazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fadintseranana (JDI). Anisan’ny nanamarihina izany ny fitokanana ny fitaovam-pitiliana avo lenta ao anatin’ny tetikasa «Smart scanning». Entina hitiliana ny entana entin’ny fiara vaventy ity fitaovana ity. Mampiavaka azy ny fampiasana ny teknolojia niomerika, amin’ny fomba faharanitan-tsaina artifisialy (intelligence artificielle). Nilaza ny Tale jeneralin’ny fadintseranana (DGD), Lahinkana Zafivanona, fa fiovana lehibe no entin’ny tetikasa «Smart scanning». Hihena be ny fotoana hikarakarana ny fanafarana sy ny fanondranana entana any ivelany. Ho vita ao anatin’ny ora 3, raha toa ka 30 ora hatramin’izay, satria atao amin’ny fomba niomerika fa tsy ataon’ny olombelona intsony. Hahomby hatrany amin’ny 75% ny fikarakarana, ary kely ny ambana mety hisy.

Ady amin’ny kolikoly
Nanamafy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, fa hanova tanteraka ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny ladoany sy ho an’ny mpandraharaha izao tetikasa izao. Satria handalo «scanner» daholo ny entana rehetra, sady tsy hisy ny fitsabahan’ny olombelona. Anisan’ ny hanafoana ny kolikoly koa izao.
Anisan’ny mpiara-miombon’ antoka nahatanterahana ny tetikasa «Smart scanning», ny Fiaraha-miasa iraisam-pirenena amerikanina ho an’ny fampandrosoana (USAID).

Mifanandrify amin’ny faha-200 taonan’ny ladoany malagasy rahateo ireo hetsika rehetra ireo. Nisy koa ny fizarana mari-pankasitrahana ireo tomponandraikitry ny mpiara-miombon’antoka amin’ny ladoany, toy ny Spat, ny SMMC, sns. Maro koa ny hetsika hanamarihina ny JID, toy ny famelabelaran-kevitra iarahana amin’ny mpianatry ny oni­versite Barikadimy, sy ny hafa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: