VAOVAO TAMBATRA

Kendrena ho vita faran’izay haingana ny fametrahana ny toby famokarana angovo (centrale thérmique) ahafahana mahazo herinaratra 105MW eto Antananarivo. Efa an-dalana ny fanatanterahana ny tetikasa mba hanampiana ny herinaratry ny orinasa Jirama, izay mamatsy ny Renivohitra sy ny manodidina.
Hametrahana orinasa mpamokatra zezika ny faritra Alaotra Mangoro, Boeny, Sofia, Analamanga. Hisy ny antso atao amin’ny sehatra tsy miankina hanatanterahana izany. Ambaiboho Amparafaravola sy Ankazomborona Marovoay no toerana roa efa voafaritra hanaovana izany. Misy ihany koa ny fifanarahana dimy amina orinasa tsy miankina hanatanterahana ny tetikasa.
Hisitraka fanohanana masomboly sy zezika ny tokantrano, tantsaha, 112 500 ao anatin’ny 100 andro ho fanampiana azy sy ho fampiroboroboana ny famokarana. Fanamby goavana apetraky ny fanjakana ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hana­tsarana ny vokatra avy eto an-toerana.
Distrika 47 hisitraka tobim-pamokarana herinaratra ao anatin’ny 100 andro. Hotohizana hatrany amin’ny volana jona ny tetikasa mba hahafahan’ny tokantrano hisitraka herinaratra sy ialana amin’ny fahatapatahan’izany. Fototra mampiodina ny fiharian’ny ankamaroan’ny olona ny herinaratra ka tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny mponina.

Partager sur: