INDRAY MIJERY

Nanatanteraka fanadihadiana isan-tokantrano teny Ankazomanga Avaratra, Andraharo, ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Institut pasteur ary ny Cirad, momba ny aretina haromontana. Hisy ny fanaovam-baksiny ireo alika sy saka eny amin’ny fokontany, afaka roa volana.

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Mahakasika ny fampidirana ireo fitaovana “Iarh Kits GC” avy amin’ny sampandraharahan’ny Fi­re­nena mikambana misahana ny mponina (Unfpa) izany.

Tombanana hitohy ny rotsakorana betsaka (40 hatramin’ny 80mm ao anatin’ny 24 ora) any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, hatramin’ny anio, vokatry ny oram-baratra ateraky ny talio sy ny Zone de convergence inter-tropicale (ZCIT). Misy hatrany ny filazana fampitandremana.

Tokony hiainga avy amin’ny Holafitry ny infirmier ny famolavolana fandaharam-pampianarana eny amin’ny ivontoerana manofana ho infirmier eto Ma­da­gasikara, hoy ny filohan’ny holafitra. Nambarany hatrany, fa tokony hifanaraka amin’ny zava-misy eto amintsika izany fa tsy adika avy amin’ny firenena frantsay

Partager sur: