FIBA 3×3 ; nanainga omaly ny Malagasy

Efa ao anatin’ny fanomanana ny lalao hiadiana ny tapakilan’ny lalao olympika 2024 avokoa amin’izao ny firenena afrikanina hiatrika izany, ho an’ny taranja basikety 3×3. Anisan’izany i Madagasikara izay nahazo fanasana avy amin’ ny Fiba Afrika, hiatrika fiofanana “FIBA 3X3 Africa Élite Camp”, any Monastir Tonizia. Nanainga, omaly, ny delegasiona malagasy, ahitana ireo mpilalao efatra mirahalahy dia i Arnold, Elly, Livio ary i Rick-Ley. Miaraka amin’izy ireo ihany koa ny mpanazatra, ny Coach Deda Randrianarivelo. Ny 27 janoary hatramin’ny 2 febroary izao ny fiofanana. Ny ekipan’i Egypta, lahy sy vavy, ny ekipan’i Kenya vavy, ny ekipan’i Tonizia vavy ary ny ekipan’i Madagasikara lahy no hiatrika ity fiofanana ity. Tsiahivina, efa fantatra ny iray vondrona amin’i Madagasikara, mandritra io lalao fifanintsanana hiadiana ny tapakilan’ny lalao olympika 2024 io, izay hatao any Debrecen Hongrie, ny 16 hatramin’ny 19 mey izao. I Lutanie, Allemagne ary i Suisse no iray vondrona aminy amin’izany.

Mi.Raz

Partager sur: