Mamaly hatrany ny hetahetan’ny tanora ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nisy, omaly, ny fihainoana ireo tanora 150, avy amin’ny fokontany 33, manerana ny boriborintany 6, eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, misehatra amin’ny lafiny fandriampahalemana. Taorian’izay, nanolotra fampitaovana mahakasika izany ho azy ireo, ny minisitera, tamin’ny alalan’ny minisitra Resampa André Haja. Fampitaovana, toy ny varavarana sy ny lampadaires, ahafahana mampanjaka ny fandriampahalemana eo amin’ny fokontany misy azy ireo no natolotra, nandritra izany. Nohamafisin’ ny minisitra fa tafiditra anatin’ ny veliranon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, sy ho fanohizana ny politikam-panjakana amin’ny fanomezana sehatra ny tanora amin’ny fampandrosoana sy ny fampanjakana ny fandriampahalemana izao tetikasa izao. Ny tanora, hoy izy, no mamaritra ny 65 isan-jaton’ny mponina malagasy sy ny hoavin’ny firenena ka tsy maintsy ampandraisina andraikitra.
Tanjon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny hananan’ ny tanora fizakantena maharitra sy hoavy mamiratra azo antoka ary laharam-pahamehana ny fanomezana tohana sy tantsoroka mifanaraka amin’izany.
Mi.Raz