Noraisim-potsiny teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy mampitohy an’i Mahitsy sy Antohomadinika ny roa lahy mpangalatra akoho, afakomaly. Noloahan’izy ireo ny rindrina nisy akoho fakana nofo an-jatony. Nalainy avokoa ireo akoho ary novonoiny. Nikasa hitondra ny entana nafatratra tanaty gony hihazo ny Renivohitra ireto tontakely taorian’izay.
Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika fahatelo (BC3) teny Ankadimbahoaka, afakomaly, ireo jiolahy raindahiny amin’ny fisolokiana. Milaza ho mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana ry zalahy. Maro ireo olona voasolokiny ka nahazoany volabe an-tapitrisany. Naiditra am-ponja ireto jiolahy ireto, omaly.
Tratran’ny polisin’ny FIP sy PPA Ankamasoa, omaly, ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fangalarana vy amin’ny tetezana eny amin’ny Rocade Atsinanana Ambohimahitsy. Manomboka very tsikelikely avokoa ireo vy amin’iny tetezany iny ka nahatonga ny polisy nanao hetsika manokana. Nahitam-bokany izany satria sarona ity jiolahy ity niaraka tamin’ny vy miisa 12 nofatorana tamin’ny bisikileta.
Naiditra am-ponja eny Antanimora, afakomaly, ireo telo mianadahy mpisoloky amin’ny alalan’ny fifanakalozana vola amin’ny finday. Ny zandary avy ao amin’ny sampana miady amin’ny fandikan-dalàna ana habaka no nahatratra azy ireo ny talata teo. Maro ireo olona efa lasibatr’izy ireo.