Niverina ho depiote ny minisitry ny Asa teo aloha, Rivotiana Jean Bosco sy ny minisitry ny Fiompiana teo aloha, i Raymond. Navoakan’ny HCC taorian’ny fangatahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena izany fanapahana izany.
Nambaran-dRaderanirina Sendrison, filohan’ny antoko Fy-M fa tokony hohenoin’ny fitondram-panjakana ireo fitakian’ny Vondron’ny kandidà (C11), tamin’ireny fififidianana ireny. Vonona hiatrika ny fifidianana depiote sy ben’ny Tanàna koa izy ireo.
15 taona omaly ny 26 janoary 2009 nisehoan’ny hetsi-bahoaka fony teo amin’ny fitondrana ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Tonga hatrany amin’ny fandrobana tranombarotra maro sy famoizana aina izany. Teo koa ny nahamay ny TVM/RNM sy ny MBS.
Tsy tongatonga ho azy ny tsy fandriampahalemana, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. “Anton’izany ny toekarena marisarisa. Tsy misy ny asa miforona… Malaina ny mpampiasa vola. Manjaka ny kolikoly sy ny tsimatimanota”, hoy izy.