Ambohimanambola: hanavao ny tanàna ny Mitia Soa

Nihaona tamin’ireo herivelona tao an-tanànan’Am­bo­himanambola ny fikambanana Mitia Soa tamin’ity herinandro ity. Nivoitra tamin’izany ireo tena maharary ny mponina: ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fahampian’ny rano madio fisotro.
Nilaza ny filoha mpanorina ny fikambanana, Nofinirina Tinasoa Andrianasolo, fa tafiditra ao anatin’ny vinan’izy ireo ny hanarina ny tanàna, indrindra hitondra fanavaozana. Anisan’izany ny fampidirina rano madio sy ny fiarovana ny tanàna amin’ny tsy fandriampahalemana.
Fokontany 4 amin’ny 10 no manana rano madio ao Ambohimanambola. Mila ezaka izany. Miantsehatra amin’ny fanampiana ny tantsaha sy ny tanora, ny fanatsarana ny fitaterana, ny fandaminana ny fahadiovana, ny fahasala­mana… ihany koa ny Mitia Soa. Niorina tamin’ny taona 2019 ny fikambanana ary fotokevitra ijoroany ny hoe : “Isika miaraka no hampandroso an’Ambohimanambola”. 500 ireo mpikambana amin’izao fotoana izay mifantoka amin’ny asa sosialy.

Tatiana A

Partager sur: