Famelomamaso ny antoko: naka lesona amin’ny lesoka teo aloha ny HVM

Fakana bahana. Nanatanteraka fihaonambe, varavarana misokatra tany Fianarantsoa, taorian’ny teto Antananarivo ny antoko HVM, ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany ny fanentanana sy fanaingana ireo mpikambana hiroso bebe kokoa hatrany.

“Hianaro ny tsara efa vitantsika ary mahaiza misintona lesona amin’ny mety ho lesoka”, hoy ny filoha mpa­norina, Rajaonarimampianina Hery, tamin’ny alalan’ny “viseoconference”. Nanteriny fa mitodika any amin’ny ho avy izao ka tantarao amin’ny vahoaka izany. Mila firenena tsara fototra sy tsara tantana ary mafy orina, miainga amin’ ny soatoavina malagasy, araka ny nambarany. “Ilaina koa ny mametraka toekarena matanjaka hiteraka asa, indrindra ho an’ny tanora”, hoy ihany izy. Nambarany fa tokana ny tanjona. Hanan­dratra ny firenena sy hanatsara ny fari-piainan’ny vahoaka. Mitondra fanantenana vaovao ho an’ny firenena ao anatin’ny fifanomezan-tanana miorina amin’ny fihavanana sy fahatahorana an’Andriamanitra ary indrindra anatin’ny asa isika, araka ny nambarany hatrany.

Velona sy miaina ny HVM

Nidera ny fahavitrihan’ireo mpikambana namana aty an-tanindrazana ny filoha mpanorina. “Porofo izao fa tena velona ny antoko HVM, ary mahabe fanantenana izany asa izany. Midina ianareo eny ifotony miresaka amin’ny vahoaka ary amin’ireo mpiara-mikatroka”, hoy ihany izy.
Nampanantena ny tenany sy ireo mpikatroka any Fran­tsa fa vonona ny hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena ary tsy maintsy tonga ny fisandratan’i Madagasikara.
Nitohy tany Manakara izany hetsiky ny HVM tany amin’iny faritra iny izany.

Synèse R.

Partager sur: