Mamita iraka eto amintsika, amin’izao fotoana izao, ny filoha lefitry ny Banky iraisam-pirenena, i Victoria Kwakwa. Nanao dinikasa niarahany tamin’ny governemanta, notarihin’ny Praiministra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo izy ireo, omaly.
Voaresaka ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ireo paikady rehetra hanohizana ny ady amin’ny fahantrana. Eo koa ny fanakalozan-kevitra momba ny fanatanterahana ny Planina enti-mampandroso “PEM”, ilana ny fanetsehana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ ny firenentsika.
Etsy andaniny, nanamafy ny fahavononany hanohana ireo tetikasam-pampandrosoana ho fampivoarana ny fiainan’ny vahoaka ny eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena tamin’izao fihaonana izao.
Synèse R.