Fiatrehana fifidianana : hanara-maso ny lisitry ny mpifidy ny vehivavy Tim

Nifamory teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko etsy Bel Air ireo vehivavy Tim, ho an’ny faritra Analamanga, ny faran’ny herinandro teo. Ni­tarika izany ny filoha nasio­naly, Ravalomanana Marc. Nambarany tamin’ny toromarika nomeny ireo mpikambana sy ny fanentanana nataony ny tokony hanarahan’izy ireo maso ny fizotry ny fanoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Eo koa ny amin’ny fombafomba rehetra hirosoana amin’ny fifidianana. “Zo fototry ny olom-pirenena ny fisoratana anaty lisi-pifidianana ka tokony handray anjara amin’izany isika”, hoy izy.
Etsy andaniny, nohitsiny ny filoha teo aloha fa tena lavo tanteraka ny firenena ary mitaky fanavotana sy fanarenana haingana ka niantsoany ny mpikambana rehetra izany, haneho ny firasankina. Nan­teriny fa tsy maintsy miomana ny antoko Tim na hita taratra aza ny tsy fahavononan’ny fitondrana hiroso amin’izany, araka ny nambarany.
Ankoatra izany, tohanan’ny Tim koa ny tolokevitry ny Transparency International ny amin’ny tokony hamerana ny vola sy hampitoviana izany amin’ny fifidianana mba hampitovy lenta sy herijikan’ireo kandidà.

Synèse R.

Partager sur: