Governora faritra Analamanga : “Tsinon­tsi­nona izahay rehefa tsy eo ny filoha”

“Tsinontsinona izahay sy ny minisitra na tomponandraikitra, rehefa tsy eo ny fi­lohan’ny Repoblika. Inona izany no tokony hataontsika? Manampy ny filoha isika”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaro­maka Hery, teny Talata Vo­lonondry, ny farany herinandro teo, tamin’ny fametrahana ny vato fototra ny fanamboarana ny lalambe migodana.
Fanatanterahana ny veliranon’ny filoha ny tetikasa atao. Tsy mbola manao fampielezan-kevitra izao, fa mbola manam-potoana iasana izao ary tsy tratra aoriana. Ny olona any an-tokotany aza, mieritreritra ny hiditra ato an-trano. Vao mainka fa ny efa ao an-trano indray no hivoaka?
Sao sanatria manao toy
ny mpitondra teo aloha hoe hanao an’izao na izatsy rehefa tafaverina eo amin’ny fitondrana. Manonofy izany. Ve­liranon’ny filoha no tantera­hin’ny mpitondra rehetra. Ireo mahatsiaro tena ho reradreraka, mba mahazo maka aina indray.
Efa folo taona mahery no naha sekretera nasionalin’ny TGV azy, araka ny nambarany. Mila rivo-baovao izany, mila eritreritra vaovao. Hi­janona tsy hanao politika in­tsony izy amin’ny 4 marsa 2025.

R. Nd.

Partager sur: