Nisokatra omaly, ary tsy hihoatra ny 12 andro, ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ ny parlemanta. Anisan’ny nisongadina teny Tsimbazaza ny fisokafana ho amin’ny hanatsarana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE).
“Araka ny And. 99 ao amin’ny Lalàmpanorenana, manana hevitra sy afa-mitondra soso-kevitra ihany koa ny solombavambahoaka, raha misy ny ilàna izany”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Faritany Antananarivo, Raholdina Naivo, nisolo toerana ny filoha Razanamahasoa Christine, izay tsy eto an-toerana, tamin’ny nanombohana ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ ny politika ankapoben’ny fanjakana. Manana adidy lehibe amin’izany ny depiote. Lahadinika amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao koa ny fandinihana ny fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana sy ny fikasana hanao izany. Eo koa ny volavolan-drijantenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny lalàna lah. 2014-020, tamin’ny 27 septambra 2014 momba ny fandaminana ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.
Mpitondra tenin’ny vahoaka
Tsy mpanao lalàna fotsiny ny depiote fa mpitondra tenin’ ny vahoaka. Araka ny Lalàmpanorenana, ny solombavambahoaka no manara-maso ny asan’ny mpanatanteraka. Tsy mahagaga raha misy ny alahelon’ny depiote, manafatra ny mba handraisana ny finday rehefa miantso ary antsoina rehefa midina any anivon’ny distrika ny mpikamban’ny governemanta. Misy minisitra tsy mandray finday rehefa miantso ny depiote. Aoka koa mba tsy hiandry tapak’andro na ora telo na efatra ny depiote rehefa mankany amin’ny biraon’ny minisitra. Tsy hiditra amin’ny raharaham-pirenena izy tamin’ ny kabariny, satria tsy tompon-toerana fa mpindrana amin’ny maha mpisolo toerana azy.
R. Nd.




