Namoaka ny tatitra (IPC) fanaony isan-taona ny eo anivon’ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM), omaly, tetsy Anosy. Mbola mahazo vahana ny kolikoly. Nahazo isa 25/100 i Madagasikara amin’ny maridrefy (IPC). Laharana faha-145 amin’ireo firenena 180, ho an’ny taona 2023. Isa 26/100 kosa izany teo alohan’izany, ny taona 2022. “Tsy midika inona loatra ny fihenan’ny naoty na elanelana 1 na 2 na koa midina na miakatra”, hoy ny mpandrindra, Rafitison Ketakandriana. Nomarihiny fa mbola mafy be ny tsimatimanota aty Afrika, manoloana ny ady amin’ny kolikoly, araka ny nambarany. Anisan’izany ny kolikoly eny amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny mpiasam-panjakana ; ny famerana ny fahafahana ; ny tsy fahafahan’ny rehetra misitraka feno ny fitsarana mahaleotena; ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fitanilana eny anivon’ny fiarahamonina ka mahatonga ny tsy rariny…
Nandroso vahaolana ny eo anivon’ny TI-IM ny amin’ny tokony hampitomboana ny tetibola hiadiana amin’ny kolikoly, hanohizana ny ezaka efa nataon’izy ireo. Ny tokony hanadiovana ny tsenambaro-panjakana. Anisan’ny lehibe indrindra koa ny lafiny lalàna. “Havaozina koa ny momba izany amin’ny tsy fahazoana manenjika sy ny fandraran’ny lalàna ireo mpitondra sasany ho tsy azo kitihina noho ny andraikitra sahaniny”, hoy ihany izy. Eo koa ny hametrahana ny lalàna, hiarovana ireo mpisintona lakolosy sy ireo mpanaitra ny fiarahamonina.
Synèse R.




