Madagasikara – Etazonia : matotra hatrany ny fiaraha-miasa ara-tafika

Nihaona tamin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, omaly, ny ambasadaoro amerikanina. Nitarika ny delegasiona, ramatoa Claire Pierangelo.

Fiarahabana sy firariantsoa noho ny fisahanana andraikitra vaovao amin’ny maha minisitra azy no tena vontoatin’ny fihaonana. Nambarany fa mpiara-miombon’antoka ara-miaramila ha­trizay ny amerikanina sady manana tompon’andraikitry ny fiarovana eo anivon’ny masoivohon’izy ireo eto amintsika izay tsy iza fa ny commander Jeffrey Schwamb. Tonga na­natanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny MFA teny Ampahibe koa ity manamboninahitra amerikanina ity. Maro ny sehatra iarahan’i Mada­gasikara sy ny amerikanina miasa, toy ny fanofanana miaramila malagasy (Tafika an-tanety, ana habakabaka ary an-dranomasina). Isan-taona, misy hatrany ny fanazaran-tena iombonan’ny roa tonta. Ankoatra izany, ny fampiofanana sy ny fizarana traikefa atolotr’izy ireo momba ny fiarovana. Manampy ny Tafika malagasy amin’ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa miaramila koa ny amerikanina. Ani­san’ireo efa nisitraka izany ny Tafika an-dranomasina any Antsiranana. Eo koa ny fampianarana ny teny anglisy maimaimpoana eo amin’ny ivontoeram-pampianarana izany eny amin’ny MFA. Nanamafy hatrany ny masoivoho amerikanina fa hitohy ka hohatevenina hatrany ireo ezaka efa nahomby mba ho fampiroboroboana sy fanohizana ny fiaraha-miasa.

Jean Claude

Partager sur: