Mpiofan’ny ENSOA : nanamafy ny fahaiza-manao

Nanamafy ny fahaiza-manao, ho fiomanana sahady ny fidinana eny an-kianja ireo mpiofana ao amin’ny sekolim-pirenen’ny manamboninahitra lefitra ao Antsirabe (ENSOA) , nanomboka ny 22 janoary, nifarana ny 26 janoary teo. Nifototra manokana tamin’ny fifehezana ny taranja haiady ireo mpiofana. Nizara ny traikefa ho an’ireo mpiofana “BMP1” sy ny “CM1” ny vondron-kery manokana Hery Vonjy Taitra na ny G.F.S.I “Groupement des forces spéciales d’intervention”, notarihin’ny lietnà Kly Rajaofara Delphin. Ankoatra ity hetsika ity, hampiofana manokana ny “BMP2” sy “CM2” koa izy ireo amin’io volana febroary ho avy io.

Tsiferana R.

Partager sur: