IFI : “Tsy fotoan’ny fisaratsarahana izao”

“Antso ataoko ho an’ny mpanohana ny filoha Rajoelina: tsy fotoan’ny fisaratsarahana izao, fa fampivondrona hery mba hahatafita an’i Madagasikara na amin’ny lafiny sosialy na ny ady amin’ny kolikoly… Ireo andry telo amin’ny fampandrosoana izany. Tsy misy afa-tsy ny fiombonana ihany no mahatafita”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (IFI), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, momba ny fiatrehana fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote. Samy manana ny paikady politikany avokoa ny antoko, fa ho an-dry zareo: izay hahamafy orina ny fitondrana sy ny firaisankina no atao.
“Tsy hoe misy tombony ho anay akory ny fizarazaran’ny mpanohitra. Ho anay manohana sy miaraka amin’ny filoha Rajoelina, ny fanamafisana ny firaisankina no atao”, hoy izy manoloana ny hoe fiovan-kevitry ny mpanohitra nilaza fa hanolotra kandidà tokana nefa samy maka ho azy indray amin’ny fifidianana ho avy eo. Tsy hafa ny Ifi fa zandry ao anatin’ny TGV. Koa izay kandidà hatolotry ny TGV no tohanany. Noho izany, tsy hoe vaky na mitambatra ny mpanohitra dia misy tombontsoa ho azy. Tsy olana ho azy ireo ny fomba fijery amin’ny maha samy mpanao politika. Ny fanamafisana ny fototra sy ny fanehoana ny fifankatiavana ary izay hahamaro anisa ny depiote sy ny ben’ny Tanàna ary ny mpanolotsaina mba hahamarin-toerana ny fanjakana sy ny fitondrana no imasoana.

R. Nd.

Partager sur: