Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, jiolahy telo nikasa haka an-keriny teratany vahiny lavo teny Ambohibe, kaominina Ankadikely-Ilafy, afakomaly alina.
Nanohitra mpitandro filaminana hisambotra azy, namoy ny ainy avokoa ireo jiolahy rain-dahiny telo tratra teny amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly alina. “Nahare olona niteny: Mijanonà intelo izahay tato an-trano tamin’ny 12 ora sy fahatelony. Nipoaka ny basy taorian’izay”, hoy Rakotozafy Noël, mpiambina mipetraka eo amin’ny toerana nitrangan’ ny fifandonana. Nianjera tao anaty lobolobo ilay voatifitra. Mpaka an-keriny ikoizana ireo jiolahy ireo, araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena namolavola ny paikady nanatrarana azy. Nikasa haka an-keriny teratany vahiny iray monina eny amin’io fokontany io ireo olon-dratsy ireo. Nifanehatra tamin’ny zandary nanao fisafoana ka izao maty voatifitra izao izy telo lahy. “Ahina ho efa mpanao fanafihana tany amin’ny tanàna hafa ireo jiolahy ireo saingy teto vao tratra”, hoy ny lehiben’ny fokontany ao Ambohibe, Razanajatovo Hanitra. Nanamafy ny mpitandro filaminana fa efa mpaka an-keriny nanomboka ny taona 2003 ireto lavo ireto. Nahatrarana basy Kalachnikov iray sy poleta roa teny amin’izy telo ireo.
Nitondra antsy lavalela…
Ankoatra io, jiolahy nitana antsy lavalela iray lavon’ny mpitandro filaminana teny Andavamamba, omaly maraina. Nandositra avy ha trany io olon-dratsy io rehefa nahatazana ny polisim-pirenena nanao fisafoana amin’ny alina. Nikasa handroba tao amin’ny tokantrano iray teny amin’ny manodidina io olon-dratsy io. Mitohy ny ezaky ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ireo jiolahy mpampihorohoro eto an-dRenivohitra.
Tsiferana R.