Resaka tsy vita? Mangataka hatrany ny fanoloana ny governoran’ny Faritra Bongolava ny depiote IRD voafidy tany Tsiroanomandidy, Ramaherijaona Hajanirina.”Nisy governoram-paritra telo nosoloina teo. Miandrandra izahay ary mbola mipetraka ny fangatahanay ny hanoloana azy, fa tsy misy zava-bita”, hoy izy ny amin’izany. Ny lalana nataony any Fenoarivobe mankany Tsiroanomandidy izao, efa potika sahady ary tsy azo aleha. Zavatra kitoatoa toy izany no atao. Izao vao manezaka manao lalana rarivato vitsivitsy.
Raha ny “engin”-n’ny Faritra Betsiboka, ohatra, nampiasain’ny Sinoa. Ny “engin”-n’i Bongolava koa nampiasain’ny Faritra tany Bemahatazana, nanaovana tanimbary niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna tany. “Tsy ny olona na tsangan-kevitra no tsy tianay, fa miandrandra fampandrosoana izahay: mila olona vonona hampandroso, fa tsy mikivilavila na mialokaloka ao ambadiky ny antoko hafa na toy izany. Miandrandra fampandrosoana lavidavitra kokoa izahay, ary vonona hiaraka amin’ny fitondram-panjakana ny vahoaka”, hoy ihany izy.
R. Nd.