“Diovy i Madagasikara” : Tsy handray anjara amin’ny fifidianana

“Ny lojikan’ny fijoroanay, mitaky ny fiverenana amin’ny fanjakana tan-dalàna: tsy mandray anjara amin’ny fifidianana izay fantatra fa hanome hasina ny fanjakana misy amin’izao fotoana izao”. Io ny nambaran’ny ny Cellule de crise “Diovy i Madagasikara”, Ralaiseheno Guy Maxime, teny Antsakaviro, afakomaly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ato ho ato. Tsy handray anjara amin’izany ry zareo. Fa manome hasina ny fitondrana amin’ny fanosihosena ny Lalàmpano­renana sy ny fiandrianam-pirenena izany dingana izay.
Ny vahoaka no masi-mandidy ary tompon’ny fahefana. Olan’ny Malagasy no misy amin’izao, ka ny Malagasy no mitondra vahaolana momba izay. Mitohy ny tolona ary hatolotra ny olom-pirenena tsy ho ela ny fandaharam-potoana hatanterahana ny vovonana an-tampon’ny olom-pirenena. Miantso ny vahoaka handray andraikitra amin’izay hoe fanohizana ny tolona izay ry zareo.

R. Nd.

Partager sur: