Nitohy, omaly, teny amin’ny Fofikri Ilafy, ny atrikasa sy fikaonandohan’ny fikambanana sy vondrona mitambatra ao anatin’ny Antenimieran’ny raiamandreny foko malagasy (ARFM). Hetsika notarihin’ny Andriana Rakotondrasoa Noël. Niatrika izany tao anatin’ny roa andro ireo solontena isam-poko manerana an’i Madagasikara. Anisan’ny tena nasongadina ny fandinihana ny zava-misy ankehitriny sy fandraisana fanapahan-kevitra manoloana izany. Notsindrin’ny mpitarika ny atrikasa kosa anefa fa tsy mpanongam-panjakana ny raiamandreny ara-drazana fa miandany any amin’izay misy ny rariny sy ny hitsiny amin’ny maha arofanina ho an’ny Malagasy tsy ho very.
Mbola mitohy eny Ilafy ny atrikasa sy fikaonandohan’ireo mivondrona ao anatin’ny ARFM. Raha tsiahivina, efa nisy ny toy izao, notanterahina teny amin’ny Motel Anosy sy teny Mandriambero. Tanatin’izany fikaonandoha izany no nanambaran’izy ireo fa olana lehibe eto Madagasikara ny rafi-pitondrana ampiasaina. Izy ireo izay nilaza fa ny rafi-pitondrana “Macronnien” no misy eto amintsika. Hevitra navoitra tamin’izany ny hamolavola rafitra sy hanangana izany mba hanatrarana ny tanjona napetraka hoe “Madagasikara an’ny Malagasy”.
Lin