Fifidianana ben’ny Tanàna sy depiote: hihamaro ireo manana fahasembanana hifidy

Notanterahina, omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa iarahan’ny Ceni sy ny Pnud momba ny tomban’ezaka fampandraisana anjara amin’ny zotram-pifidianana ireo manana olana eo amin’ny fahitana. Nambaran’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Ravao­nirina Liliane, fa efa nampiasa fitaovana manokana ho an’ny jamba ny Ceni tamin’ny fifidianana farany teo. Nisitraka izany ireo tany amin’ny faritra sy ny biraom-pifidianana vitsivitsy teto an-dRenivohitra. “Hohatsaraina izany amin’ny alalan’ny fampitaovana ka hitombo ny isan’izy ireo amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny depiote”, hoy izy. Nanteriny fa mba hahafahan’
izy ireo mifidy tsy misy olon-kafa manaraka ny fampiasana ilay fitaovana “Carton de vote à brailles”. Voaaro koa ny tsiambaratelon’ny safidiny. Niompana amin’izany rahateo izao atrikasa nijerena ny olana sy ny lesoka ary koa ny fanatsarana tokony hatao mba hahafahan’izy ireo manao ny adidiny. “Traikefa tokony hotazonina ny efa nahavitana nampifidy azy ireo satria mahafeno ny fepetra ka tsy tokony hailika… Voalohany aty Afrika isika amin’ny fahazoan’izy ireo mifidy”, hoy ihany izy.
Nanamafy izany ny filo­han’ny fikambanan’ireo manana olana amin’ny fahitana, Ran­driatahiana, fa efa manan-jo hifidy izy ireo. Sahirana kosa anefa ny jamba eo amin’ny fomba fifidianana. “Tsy mila olon-kafa intsony izahay izao fa afaka mifidy ny kandidà tianay sy mametraka marika amin’ny biletà. Voahaja ny safidy sy ny tsiambaratelo…”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: