Fampahafantarana ny PGE : nofaritan’ny Praiminisitra ny 100 andron’ny sosialim-bahoaka

Notanterahina omaly, nanoloana ireo depiote teny Tsimbazaza, ny fampahafantaran’ny Praiminisitra sy ireo mpikamban’ny governemanta ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Niompana bebe kokoa amin’ny sosialim-bahoaka izany.

Nasongadiny tamin’izany ny fandaharanasa 100 andro amin’ireo departemanta isanisany. Eo ny loharanon-karena mifototra amin’ ny maha olona, ny ady amin’ ny fahantrana. Ny fandaharanasa, toy ny “Haratonaina” sy ny “Vatsin’ankohonana”. Ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra ho an’ireo marefo… Eo koa ny fanohi­zana ny tetikasa, ozinina isaky ny distrika (Odof). Ny fanamboaran-dalana, ny fampiroboroboana ny fanabeazana ary koa ny fanjakana tsara tan­tana sy ny ady amin’ny kolikoly. Ny famoronana asa ho an’ny tanora ary koa ny fanamafi­sana ny fametrahana fandriampahalemana manerana ny Nosy.
Anisan’ny nambarany koa ny hametrahana rafitra mpanara-maso ny vidin’entana ka handraisana fepetra ho an’ireo mpanararaotra.

Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany

Ankoatra izany, nambaran’ ny praiminisitra fa hampitomboina ny vola ho an’ny kaominina fa tsy ho 35 tapitrisa Ar intsony. Hitohy ny fanohanana ara-bola sy ny fampitaovana ny eny anivon’ny faritra. Hiro­soana ny filankevitry ny governora mba tena hifandraika tokoa amin’ny filan’ny vahoaka eny ifotony ny fampandrosoana hapetrak’izy ireo.
Manampy izany, hirosoana ny fanatsarana ny fomba fiasa eo amin’ny fananantany hanafoanana ny fangalarana sy fanodikodinana tany na koa ireo mety ho endrika kolikoly manodidina izany. Anisany ny hanamafisana ny ady atao amin’ireo tambajotra mpiso­loky sy mpanodikodina tanim-panjakana na tanin’olon-tokana. Ny tsy fanekena ny tsindrihazolena amin’ny vahoaka. Hitohy ny fizarana karatany
ka maherin’ny 1 400 000 ireo hovitaina mialoha ny volana jona izao.

Synèse R.

Partager sur: