“Grand Poetry Slam 2024”: efa miomana ny mpikarakara

Tanterahina ny 6 hatramin’ny 12 mey 2024, any Paris Frantsa, ny «Grand Poetry Slam”, fifaninanana hiadiana ny amboara maneran-tany eo amin’ny poezia sy ny slam. Firenena maro no mandray anjara amin’izany ary anisan’ny manana solontena i Ma­dagasikara, amin’ny alalan’ An­dria­manantsoa Santatri­niaina na i Santa. Efa eo am-panomanana tanteraka izany fifaninanana izany ny mpikarakara ankehitriny. Hisy ny fivoriana mahakasika ny fikarakarana sy fandraisana anjara amin’izany, any an-toerana sy an-jotra, rahampitso, hiresahana sy hanolorana tolo-kevi-panatsarana mahakasika ity fifaninanana ity ary misokatra ho an’ny rehetra ny fanolorana soso-kevitra.
Fifaninana lafatra sy miavaka ary mahafapo ny rehetra no tanjon’ny mpikarakara.

Lin

Partager sur: