Holafitry ny mpanao gazety : voafidy ny solontena eo anivon’ny HCDDED

Tontosa, omaly, teny amin’ny birao fiasan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Ma­daga­sika­ra (OJM), Ambohi­dahy, ny fifidianana izay hisolo tena azy ireo eo anivon’ny Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED). Voa­fidy tamin’izany i James Rama­rosaona. Tamin’ny alalan’ny la­tsabato ana habaka no na­naovana izany ary tamin’ny isam-bato 10 amin’ny 46 no nahalany azy.
Voafidy, araka izany, hisolo tena ny mpanao gazety eo anivon’ny HCDDED izy. Niisa 47 kosa ny mpifidy ary 46 no nandatsa-bato. Raha ny ma­hakasika ity mpanao gazety voafidy ity, anisan’ny mpanao gazety manana ny maha izy azy izy, ary efa nitantana ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nahafan­tarana azy ihany koa ny naha mpanao gazety tao amin’ny gazety an-tsoratra Tribune de Madagascar sy ny La Gazette de la grande ile.

Lin

Partager sur: