Hanao ahoana ny fe-potoam-piasana faharoa amin’izao fitondrana izao? Vonona hanatanteraka ny vinan’ny filoha amin’ny alalan’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny governemanta.
“Amin’izao fe-potoam-piasana 2024-2028 izao, laharaham-pahamehana hanatrarana ny taham-pampandrosoana eto Madagasikara ny fampihenana ny fahantrana, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, ny famoronana asa, ny fanatsarana ny fitantanana, ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly”. Izay no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny nanolorana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) teny amin’ny Antenimierandoholona, Anosikely, omaly. Noho izany, miompana amin’ny andry telo lehibe ny PGE hanatanteraka ireo tanjona ireo. Mizara telo izany: ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena, ny fahaiza-mitantana.
“Vonona hanatanteraka ny vinan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny governemanta vaovao tarihiko, ka hifantoka amin’ireo andry telo lehibe ireo amin’ny taona 2024-2028, izay hiasa bebe kokoa amin’ny fitsinjovana ny maha olona sy ny filan’ny vahoaka malagasy ka hahazoany miaina sy mihary amim-pilaminana”, hoy izy. Fitohizan’ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara sy ny Malagasy tanjon’ny fahefana mpanatanteraka, indrindra ny fanamafisana ny ady amin’ny fahantrana amin’ny endriny rehetra mba ho vanona sy mendrika ny vahoaka malagasy.
Manainga ny olom-pirenena tsy ankanavaka ny governemanta mba hifarimbona sy hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana tarihin’ny filohan’ny Repoblika hahazoana manatratra ny tanjona iombonana dia ny fandrosoan’i Madagasikara.
R. Nd.




