Teren’ny fe-potoana napetraky ny Filoham-pirenena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta dia ny 100 andro, taorian’ny nanendrena azy. Asa mivaingana ao anatin’ny fotoana fohy, araka izany, no takiana. Ho fanatanterahana izany, niroso tamin’ny fifampindram-pahefana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, omaly. Nandray ny toerany ny sekretera jeneraly vaovao, Rakotondrasoava Andrianirina Mamimbahoaka Fetraniaina, rehefa nahazo ny tsodranon’ny sekretera jeneraly teo aloha, Ralaimazava Andriamahery Johary. Ito farany izay nandray ny andraikitra maha sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arakasa.
Naneho ny fahavononany hanohy ny ezaka efa natao teo aloha ka hitondra ny anjara birikiny ho fanatrarana ny tanjona ny sekretera jeneraly vaovao. Ny andraikitra no vaovao fa tsy vaovao amin’ity departemanta ity ny tenany. Nitana ny andraikitra maha talen’ny fandrindra ny haino vaky jery, avy eo niakatra ho tale jeneralin’ny serasera. Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Tranombokim-pirenena ihany koa izy, ary filoha lefitra misolo tena an’i Afrika eo anivon’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana “Information pour Tous” (PIPT/UNESCO).
Zo ny Aina