Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Jly Rasolondraibe Jean Yves, talen’ny kabinetra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha, sy Rakotonirina Elysa, vao voatendry ho eo amin’izany toerana izany. Nitarika ny lanonana i Fanohiza Claude, sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika. Nisaotra manokana ny filohan’ny Repoblika ity talen’ny kabinetra vaovao ity, ny amin’ny fametrahan’ny filoha fitokisana aminy, amin’izao andraikitra goavana izay horaisiny izao.
Toromariky ny filoha ny hahazoana vokatra haingana, izay midika hoe asa avy hatrany ary laharam-pahamehana ihany koa ny ady amin’ny fahantrana sy ny lafiny sosialy, ny fampitomboana ny toekarena, indrindra ny ezaka lehibe dia ny fahaiza-mitantana sy ny ady amin’ny kolikoly. Nilaza hatrany Rakotonirina Elysa, talen’ny kabinetra fa : « isika dia hiasa madio ary hiasa mahitsy » .
Ankoatra izany dia nisaotra sy nankasitraka ny talen’ny kabinetra teo aloha izy, izay nahavita antsakany sy andavany ny andraikitra izay napetraka aminy. Manantena fiaraha-miasa tanteraka amin’ny rehetra, Rakotonirina Elysa, talen’ny kabinetra vaovao. Tsy maintsy ilaina ny fanampiana amin’ny tsirairay, hoy izy, ary ny firaisankina sy ny fiombonana no ahitana fahombiazana sy hahatratranany ny tanjona.
Lin




