Voasambotra ilay namono mpitsabo mpanampy, ny 23 septambra teo, tao Vohilengo- Farafangana. Naiditra am-ponja ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy. Nifanena taminy tao anaty haizina, notolominy ary nanamparany ny filan-dratsiny io mpianatra ho mpitsabo io. Notsindrominy tamin’ny vy ny fivaviany taorian’ny filan-dratsiny ary nodarohany tamin’ny hazo ny tendan’ilay vehivavy.
Tratra ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny halatra bizo sy fanimbana fotodrafitrasa eny amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN6). Efa nisy telo mianaka tratra ny 19 desambra lasa teo, tao Bepandrogno miaraka amin’ireo bizo maromaro avy nangalarina tamin’ny RN 31. Fantatra fa indroa tapaka ny RN6, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nahatonga izany ny fahaverezana bizo.
Dahalo raindahiny antsoina hoe Misiny no lavon’ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny kaominina Mahasoarivo, distrikan’i Belo Tsiribihina Ambiky, afakomaly. Tratran’ireo mpisafo kizo nitondra omby iray tsy nisy taratasy tao Mahasoarivo ity dahalo ity. Nampitondra faisana ny mponina any an-toerana izy ireo. Mitohy ny fikarohana ireo namany.