Tsy fanarahan-dalàna eny amoron’Andralanitra : sarona ary nogiazana ny fitaovana nanotorana tany

Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, ny herinandro teo, fa nahazo tatitra amin’ny fanotorana tany tsy ara-dalàna eny amoron’Andralanitra ny tenany. Sarona izany ary efa mandeha ny fanadihadiana.

Naniraka ny polisin’ny fa­na­jariana ny tany “Ser­vice de Police de l’Amé­na­gement du Territoire – SPAT) ny tenany saingy tsy nahatsikaritra na inona na inona izy ireo. Nangataka ny lefitry ny ben’ny Tanàna, mi­tantana vonjimaika an’Antana­narivo ny minisitra mba hanaraka io raharaha io. “Tratran’ ny Polisy monisipalin’ Antana­na­rivo, ny alakamisy alina, ireo mpanototra tany ary efa najanona izany. Nogiazana ny fi­ta­o­van’izy ireo”, hoy izy. Nan­teriny fa efa nanomboka ary hitohy ny fanadihadiana hahafantarana ny tena tompon’antoka amin’ity fanotorana ity sy ny tompon’ny tany. Nanka­si­tra­ka ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny minisitra manoloana ny tranga tahaka izao.
Etsy andaniny, neken’ny depiote ny fametrahana PDS tsy mpiasam-panjakana ho an’ny fitantanana ny kaominina. Nanazava izany tamin’ny depiote, ny zoma teo, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana, Andriantsitohaina Naina, sy ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin.

Mpiasam-panjakana ny filoha lefitra roa
Nambaran’izy ireo fa atao ny fanitsiana ity volavolan-dalàna ity mba hanamorana ny fampandehanan-draharaha sy ny fampandrosoana eny ifotony rehefa misy fahabangan-toerana. “Hapetraka ny delegasionina manokana, ahitana olona miisa telo ka tsy voatery ho mpiasam-panjakana ny filoha. Tsy maintsy mpiasam-panjakana raikitra kosa anefa ny filoha lefitra roa”, hoy izy.
Nampahatsiahy ireo antony ahafahana mametraka PDS kosa ny minisitry ny Atitany ka anisan’izany ny fahafatesana, ny fidirana am-ponja, ny fionganana, ny fialana andraikitra “abandon de poste”.

Synèse R.

Partager sur: