FANTINA sy FINTINA

Hamolavola hetsika ny komity teknika faha-77 taonan’ny 29 marsa. Nivory ny herinandro teo izy ireo. “Hanamarihana izany ny famelo-maso ny tantara, ny fampitana ny fanilo amin’ny taranaka”, hoy ny filoha mpitarika ny fikarakarana, ny Jly Randrianantenaina Emilson.

Handalo eny amin’ny Antenimierandoholona hankatoavina, taorian’ny nandanian’ny depiote azy ireo volavolan-dalàna roa: ny famaizana ireo mpanolana zaza tsy ampy taona sy ny momba ny fametrahana PDS, tsy mpiasam-panjakana hitantana kaominina.

“Fotoana izao hampitsaharana ny ady sy valifaty politika”, hoy ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina, tao amin’ny “Facebook”, ny herinandro teo. Nanteriny fa maro ireo mizaka ny an­tsojay politika ary tsy hiteraka fitoniana izany.

Mpiahy ny andiany “Taratra”, amin’ireo mpampianatra am-perinasa, miisa 1 600 nahavita fiofanana tao amin’ny Ifem, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Nambarany fa mifanojo amin’ny vinan’ny filoha, ny fanomezan-danja ny maha olona, ny fanofanana mpanabe tahaka izao.

Partager sur: