TARATRY ny KANTO

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny he­tsika «Takalo dinika amorom-patana 2024». Lahadinika ny hoe “Taom-baovao: Riba ela sy vao”, notarihin’ny Dr Rabenalisoa Ravalitera Jean sy Ranjatohery Harilala. Isaky ny sabotsy voalohany sy alahady fahatelo amin’
ny volana no anaovana ny he­tsika ary an-jotra sy azon’ny rehetra atrehina amin’ny alalan’ny fisoratana anarana any amin’ny tomponandraikitra.

Efa vonona tanteraka ny mpikarakara ny “Festival Fanorona” andiany voalohany, atao eny Ambohidratrimo, ny 10 sy 11 febroary 2024. Ankoatra ny fifaninanana, hisy ihany koa ny velakevitra samihafa, entina mampahafantatra ny fanorona sy ny manodidina azy.

Miditra amin’ny fampiofanana sy fampianarana sary sokitra ny eo anivon’ny tetikasa Kanto Manabe, amin’izao fotoana. Taorian’ny fampiofanana ireo mpanabe Kanto, nitohy tamin’ny fampianarana izany, teny anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa, iseharan’ny tetikasa ny tompon’andraikitra.

Mandravaka ny efitrano malalaky ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, mandritra ity herinandro ity, ny hetsika “Fun&Flow”, iarahana amin’i Mariam Amyra. Ankoatra ny fampirantiana, misokatra amin’ny tafatafa iarahana amin’ireo mpitsidika ity mpahay kanto vahiny ity, araka ny nambarany.

Partager sur: