Ratsy ny vokatra ho an’ireo Malagasy judokas telo mianadahy izay niatrika ny fifaninanana “Grand Slam de Paris” any Frantsa. Tsy tafavoaka tamin’ny vondrona nisy avy azy izy ireo.
Notanterahina tany Paris Frantsa, ny 3 hatramin’ny 4 febroary lasa teo, ny fifaninanana maneran-tany “Grand Slam de Paris”, taranja judo. Tsy fahombiazana ho an’ireo Malagasy judoka telo mianadahy ity fifaninanana ity. Tsy nisy tafavoaka tamin’ny vondrona nisy avy izy ireo. Ho an’ny sokajy vehivavy (-70 kg), lavon’i Soula Florine, frantsay atleta, ilay solontenan’i Madagasikara, Rasoanaivo Laura, nandritra ny dingana voalohany, tao amin’ny vondrona D. Teo amin’ny (-52 kg), nahintsan’ilay japoney, Shiraishi, tamin’ny dingana faharoan’ny vondrona “C”, i Christiane Vital, Malagasy judoka.
Tsy niakatra tatami kosa i Chang Ling Janeiro, sokajy lehilahy ka tafita teo amin’ny dingana manaraka avy hatrany i Postigos Juan, solontenan’i Perou, fihaonana tao amin’ny vondrona “B”, dingana voalohany.
Nahazo ny laharana voalohany tamin’ity i Frantsa, mpampiatrano, faharoa i Japon ary fahatelo i Kosovo. Any amin’ny faha-31 vao hita i Madagasikara.
Mbola hiatrika ny “Paris ITC” i Laura sy i Janeiro
Tsy mbola mifarana ny fifaninanana any Paris, ho an’i Madagasikara. Raha ny fikarohana natao omaly, hiatrika ny fifanintsanana “Paris ITC 2024”, ireo Malagasy judoka roa. Rasoanaivo Laura, sokajy vehivavy (-70 kg) sy i Chang Ling Janeiro, lehilahy (-66 kg). Marihina fa hotanterahina manomboka anio hatramin’ ny 8 febroary ho avy izao ity lalao any an-drenivohitr’i Frantsa ity.
Tsara ny mampahafantatra fa ny “ITC 2024”, fifanintsanana ivondronan’ireo judoka kalaza indrindra maneran-tany. Tsara marihina fa natao hampitomboana ny traikefan’ireo Malagasy mialoha ny fiatrehana ny “lalao Olympika 2024” ity fifanintsanana ity. Ankoatra izay, hiatrika ny lalao “Grand Prix Upper”, izay hatao any Autriche, ny volana marsa ho avy izao, Rasoanaivo Laura.
Fitia Randria
Ireo firenena nahazo ny amboara isan-tsokajy, nandraisan’i Madagasikara anjara:
Sokajy :
vehivavy : Krasniqi Distria, Kosovo (-52 kg), Butkereit Miriam, Allemagne (-70 kg)
Lehilahy : Takeoka Takeshi, Japon (-66 kg)