Notanterahina teny amin’ ny Kianjan’ny Oniversite Ankatso, ny sabotsy 3 febroary lasa teo, ny fifaninanana basikety 3×3, sokajy vehivavy U23, ho an’ny ligin’Analamanga. Norombahin’ny ekipa Liberty izany fifanintsanana izany. Araka izany, izy ireo no solontenan’Analamanga amin’ilay fifaninanam-paritra “De La Rue vers l’Or”, izay hotontosaina eto Antananarivo, manomboka ny 16, 17 ary ny 18 febroary ho avy izao.
Marihina fa ity lalao ity, hiarahan’ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) sy ny masoivohon’i France manatanteraka. Tsara ny mampahafantatra fa natao hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Ankoay U23, ity fifanintsanana ity. Ny Ankoay, hiatrika ny lalao afrikanina “Jeux Africains”, hatao any Ghana, manomboka ny 8 marsa ho avy izao.
Tsiahivina fa taranja anisan’ny mampisongadina an’i Madagasikara aty Afrika ny basikety 3×3. Nandrombaka medaly alimo avy ireo Ankoay lahy sy vavy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natao tany Egypte, ny taona 2023 lasa teo.
Fitia Randria