“Can 2024”: tsy mbola afa-bela tamin’i Côte d’Ivoire i Mali

Fantatra avokoa ireo ekipa efatra hiatrika ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (CAN 2024). Tsy mbola afa-bela tamin’i Côte d’Ivoire indray i Mali.

Nigeria hidona amin’i Afri­ka Atsimo ary RD Con­go hifampitana amin’i Côte d’Ivoire. Ireo ny manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024). Fihaonana, tanterahina any Côte d’Ivoire. Tontosa ny sabotsy lasa teo, ireo ampahefa-dalana roa farany ka anisan’ny fihaonana nandrasan’ny rehetra ny an’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Voromahe­rin’i Mali. Lalao natao tao amin’ny kianja Bouake. Tsy mbola afa-bela indray i Mali tamin’ity, izay niondrika tamin’ny isa 2 no ho 1.
Nivoaka sempotra ny Ele­fanta vao tafita satria efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao nahazo ny fandresena. Nofehezin’i Mali ny kianja ka tsy afa-nihetsika mihitsy ry Kessie sy Pepe. Minitra faha-17 tokony ho nanokatra ny isa i Mali, saingy tsy tafiditr’i Adama Traore ny “penalty” nodakany. Minitra faha-43, nilalao 10 ny Ivoarianina, rehefa nahazo karatra mena i Kossounou. Tsy nampiova na inona na inona anefa izany.
Fizaram-potoana faharoa, nitohy nanafika i Mali ka nahafaty baolina i Dorgeles Nene, teo amin’ny minitra faha-71. Nihevitra izy ireo fa efa tafavoaka saingy nosahalain’i Adinga ny isa, teo amin’ ny minitra faha-90. 1 sy 1 ny isa teo ka voatery niditra teo amin’ny fanalavam-potoana. Minitra faha-120 + 2, nahafaty ny baolina faharoa i Oumar Diakite. Lavo tanteraka ny Malianina.
Ho an’ny ampahefa-dalana faharoa, tafita tany amin’ny fandakana ny “tirs au but”, 2 no ho 1, i Afrika Atsimo raha nihaona
tamin’i Cap-Vert. Nisaraka 0 no ho 0 ny roa tonta, nandritra ny 90 mn sy ny fanalavam-potoana 15 mn indroa miditra.
Hotanterahina ny alarobia ho avy izao ireo lalao manasa-dalana roa ireo.

Tompondaka

Partager sur: