DAKA AN-JORONY: angovo sy teknika

Na tsy mandeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM) aza ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024), manaraka akaiky izany ny Malagasy, indrindra fa ireo mpiondana ity taranja ity. Samy mahatsapa ny rehetra fa mafy ilay fifaninanana. Tsy vitan’ny teknika fotsiny fa tena miasa ny angovo. Raha tsorina izany, hita ao anatin’ireo mpilalao rehetra mandray anjara fa tsy misaraka fa miaraka ny angovo sy ny teknika.

Misy hotsakotsakoin’ny teknisianina, ny zava-misy amin’ity Can ity. Tsy vitan’ny teknika sy ny olona tsy misy vovokaina na olona kely ny fiadiana ny ho tompondaka eto Afrika fa mila vatana sy tanjaka. Tsy afa-misaraka ny angovo sy ny teknika. Niaraha-nahita ireny ny zava-bitan’ny Voromaherin’i Mali, izay hifanandrina amin’ny Barea de Madagascar, afaka 5 volana. Tsy famendrofendroana akory fa tena baolina angovo ny an-dry zalahy. Sady manam-batana no feno angovo, mbola miampy teknika ihany koa. Tsy fotoana atoritoriana intsony izany izao, ho an’ny mpanazatra sy ny federasiona fa angovo sy teknika ny baolina ataon’ny afrikanina, ankehitriny.

Izany ny eny ambony kianja fa ety ivelan’ny kianja ihany koa mbola miasa ny angovo sy ny teknika. Misikim-ponitra fatratra mihitsy ny fitondram-panjakana sy ny federasiona ary ireo mpilalao fahiny, manao izay hahazoan’ny fireneny fandresena ary hibatana ny amboara mihitsy. Mampiasa angovo sy teknika i Didier Drogba, kapitenin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire teo aloha, manao fanamby amin’ireo mpilalao fa raha mandresy dia tolorany lelavola be izy ireo. Angovo sy teknika daholo izany, izay tsara ho alain-tahaka.

Tompondaka

Partager sur: