Ski alpin-«Mondiaux junior 2024»: laharana faha-56 i Theo Montaigne

Nifarana ny sabotsy teo, tao St Jean d’Aulps Frantsa, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja fikorisana an-dranomandry, ski alpin, sokajy junior, na ny fis junior «World ski championships». Nanana solontena roa niatrika izany i Mada­gasikara. Azo lazaina fa teo ho eo ny vokatra azon’izy ireo. Anisan’ iza­ny, i Montaigne Théo, nitana ny laharana faha-56 izy teo amin’ny “giant slalom”. 2 mn 48, 26 s ny fe-potoanany ka nahazoany ny isa 349.06 nandritra ny fanatontosany izany fifaninanana izany. Tsy nahatontosa ny fifaninanana kosa i Théo, teo amin’ny slalom, ny zoma lasa teo, tao Morzine.
Nandrombaka medaly volamena, tao amin’ity sokajy ity ilay Amerikanina, i Sar­chett Ryder. 2 mn 06,97 s ny nahatontosany azy, manana isa 20.61 izy amin’izany. Nahazo medaly volafotsy ilay Frantsay, i Elezi Cannaferina Alban. Ampahan-tsegondra +0,06 taorian’ny voalohany izy, izany hoe : 2 mn 07,03 s ary nahazoany isa 21.09. Fahatelo, i Fabian Ax Swartz, teratany soedoà. 2 mn 07,07s ny fe-potoanany. Manana isa 21.41 ny tovolahy tamin’izany.
faha-45 i Mathieu Neumul­ler teo amin’ny “giant slalom”. Nahazo isa 137.07 izy tao anatin’ny fanatontosana izany. Nitana ny laharana faha-58 i Mathieu nandritra ny fanaovana ny slalom ka 155.22 ny isa voaangony. Ilay teratany suisse, i Haecheler Lenz, no nahazo ny medaly volamena, raha ilay aotrisianina, i Zudrell Moritz, ny faharoa ary fahatelo, i Grahl-Madsen hans, avy any Norvège ny fahatelo.

Tompondaka

Partager sur: