“Eritreretinay fa tokony ho vita amin’ity enim-bolana voalohany ity ny vanin’androm-pifidianana. Lalàna no mamaritra izay, indrindra ny fifidianana solombavambahaoka izay tokony ho vita alohan’ny faran’ny volana jona”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fanatanterahana fifidianana kaominaly sy ny an’ny depiote. Aorian’ny famaranana tanteraka ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy no hirosoana amin’izay fifidianana izay. Tsy ho tanteraka alohan’ny 15 mey izany. Ao anatin’ny fanadihadiana ny amin’izany ny Ceni amin’izao. Hivoaka ato ho ato ny volavolana tetiandrom-pifidianana.
Toy izany koa ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Tafiditra sy mifanandrify ao anatin’izay fanadihadiana izay ny amin’ny hoe: hampiarahana sa hosarahina ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote? Samy manana ny eritreriny avy ny olona ny amin’izany, fa manao fanadihadiana ny Ceni. Ao anatin’izay ny amin’ny tetibola enti-manana ny fifidianana. Efa nankatoavin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona tamin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2024, ny tetibola ankapobeny enti-manana ny fifidianana roa. Hita amin’ny fanadihadiana sy ny traikefa fa raha mitambatra ny fifidianana roa, mihena kokoa ny vola lany. Raha misaraka izany, samy manana ny tetibolany ny fifidianana tsirairay avy.
R. Nd.




