Fanolanana : roa lahy voasambotra

Lahiantitra 62 taona voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ankiririky Avaratra, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Nanolana zazavavy vao 15 taona monja io tsivalahara io. Nentiny tao an-trano ilay ankizivavy ka nokasainy hanamparana ny filan-dratsiny. Niverina tampoka anefa ramatoa vadin’io lehilahy io ka tratra ny fikasan-dratsiny. Nosamborin’ny fokonolona ilay lahiantitra ary natolotra ny mpitandro filaminana. Ankoatra azy, lehilahy iray hafa, 40 taona, koa notanan’ny polisy tao amin’ny fokontany Sahavoay, distrikan’i Mandritsara, ny zoma 2 febroary teo. Nanolan-jaza vao 11 taona izy. Nidiran’io tsy mataho-tody io ny trano nisy ilay zazavavy tamin’ny fotoana tsy nisian’ny ray aman-dreny. Raha tsiahivina, hihatra tsy ho ela ny fampiharana lalàna amin’ny famotsirana ireo mpanolana tahaka azy roa lahy ireto taorian’ny fahalanian’izany teny anivon’ny Antenimierampirenena, ny faran’ny herinandro teo.

Tsiferana R.

Partager sur: