Naratra mafy, voakapa famaky ny tovolahy iray tao Antanantsara, Port Bergé, ny 3 febroary teo. Kilasy famaranana ao amin’ny liseam-panjakana ao an-toerana izy. Nikasa hihazo ny kaominina Leanja, fiaviany izy no lasibatra. Tafara-dalana tamin’ny lehilahy iray teny an-dalana. Nivily nisotro rano tany amin’io olon-tsy fantatra io rehefa niala ny lakana tamin’ny renirano Bemarivo. Naka famaky anefa ilay rangahy. Nilaza tamin’ilay tovolahy fa handeha hijery ny arina amboariny any anaty ala. Ilay mpianatra kosa nikasa hanohy ny lalany. Noratrain’ilay olon-dratsy tamin’ny famaky avy hatrany ny lohany sy ny vozony.
“Tsy nanana afa-tsy vola 22 000 Ar hatao saran-dalana sy telefaonina iray ary fanafodin’ny fambolena 1 litatra aho”, hoy ny lasibatra, Tianjara Elien. Nitsoaka nandositra ilay olon-dratsy taorian’ny fandrobana niharo vono nataony. Tsikaritry ny mpandalo ny fahavoazan’ilay tovolahy mpianatra. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana izy ka avotra soa aman-tsara. Karohin’ny mpitandro filaminana ao an-toerana ny nahavanon-doza. Mpampianatra amina sekoly tsy miankina ao Port-Bergé ihany no ahina.
Tsiferana R.