Tao anatin’ny 11 volana: nilanja 384 021 taonina ny vary nafarana

Nihena hatrany amin’ny 43,61% ny taham-panafaran’i Madagasikara vary, nandritra ny 11 volana, voalohan’ny taona 2023. Ny volana novambra teo, nihena 12 562 t ny vary nafarantsika raha toa ka manodidina ny 76 817 t izany ny volana novambra 2022. Milanja hatrany amin’ny 114 407 t ny vary nafaran’ny firenena malagasy teo anelanelan’ny volana jolay ka hatramin’ny novambra teo, hiantohana ny famatsiam-bary mandritra ny maitsoahitra ho an’ny taona 2024, araka ny tatitra navoakan’ny mpanara-maso ny vary (ODR). Nambarany fa vanim-potoana anisan’ny ambany indrindra tamin’ny fanafaram-bary nataon’i Madagasikara, ny taona 2023. Ny taona 2020, milanja 479 359 t ny vary nafarantsika, raha toa ka niakatra ho 629 414 t izany, ny taona 2021. Mahatratra hatrany amin’ny 744 846 t ny vary nafarantsika ny taona 2022. Vanim-potoana anisan’ny ambony indrindra tamin’ny fanafarana natao. Nihena hatrany amin’ny antsasany kosa izany tamin’ny taon-dasa.

Paikady
Nametraka paikady manokana ihany koa ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (MICC) manoloana ny fanararaotana mety hataon’ireo olon-dratsy. Misy ny fidinana ifotony eny amin’ny tsena samihafa ataon’ireo kaomisera sy ny mpanara-maso ny varotra, hitsirihana ny vidin’entana sy ny vidim-bary eny an-tsena manerana ny Nosy. Miara-miasa amin’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ihany koa ny MICC hanatanterahina izany, indrindra hiarovana ny mpanjifa manoloana ireo mpanararaotra. Araka izany, nisy ny mpamongady tratra nampiakatra ny vidim-bary namidiny ka nandraisana fepetra manokana.

Henintsoa H.

Partager sur: