Hatao anio, any Londres, ny fitsarana ilay raharaha mahavoasaringotra an’Andrianarisoa Romy Voos. Voampanga amin’ny fanaovana kolikoly sy fitakiana vola tamina orinasa anglisy iray izy sy ny namany.
Hiakatra fitsarana anio, any Londres, raha tsy misy ny fiovana ny tale kabinetra teo aloha, eo anivon’ ny fiadidiana ny Repoblika, Andrianarisoa Romy Voos. Efa niaiky ny fiampangana azy izy, ny volana oktobra teo rehefa niakatra teo anivon’ny fitsarana Britanika. Namoaka izany vaovao izany ny eo anivon’ny Africa Intelligence, ny zoma 27 oktobra 2023 ary mbola tanana am-ponja vonjimaika ny tenany hatramin’izao. Efa niaiky ny helony nanoloana ny fitsarana tany Londres koa ilay tanana ankavanany, i Philippe Tabuteau.
Anisan’ny vesatra iampangana azy ireo ny fiahiahiana ho nanao kolikoly sy nitaky vola 261 000 euros sy anjara vola 5% amin’ny orinasa Britanika misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany, antsoina hoe Gemfields.
Tsy misy idiran’ny fiadidiana ny Repoblika
Manodidina ny 10 taona an-tranomaizina ny sazy mety ho azon’izy sy ny namany. Na izany aza, ahazoana fanalefahan-tsazy ny fiekena heloka, araka ny lalàna anglisy.
Tsiahivina fa nesorina tamin’ny toerany avy hatrany ity tomponandraikitra ambony teo aloha eo amin’ny fiadidiana ny Repoblika ity vantany vao nivoaka ny vaovao ny amin’ny nisamboran’ny polisy Britanika azy tany Londres, ny volana aogositra 2023 teo. Nohamafisin’ny fanambarana fa nametraka ny taratasy fialantsasatra, ny 9 hatramin’ny 22 aogositra 2023, Andrianarisoa Romy Voos. “Tsy ny fitondram-panjakana malagasy no nandefa azy any Londres ary tsy nahalala ny anton-diany any ny fiadidiana ny Repoblika”, hoy ny fanambarana.
Synèse R.




