Tontosa ny alahady teo, tao amin’ny Bataillon d’infanterie Maintirano, ny lanonana ara-miaramila fanaovam-beloma farany ny miaramila kilasy faharoa, Mahampy Gaspard, maty voatifitry ny dahalo. Ny kaomandin’ny Bataillon d’infanterie Maintirano, ny Kly Raoeliarison Jean Goerès, no nampiakatra ny galonany ho kaporaly, nomena azy manokana taorian’ny fahafatesany. Natolotry ny kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Tsiribihina, ny Jly Koto Paul, azy koa ny mari-boninahitra miaramila « Médaille militaire pour acte de courage et de dévouement, échelon Or ». Ny minisitry ny Tontolo iainana, Max Fontaine Andrianirina, kosa no nanolotra ny mari-boninahi-pirenena « Chévalier de l’Ordre National » ho an’ity maherifon’ny Tanindrazana ity.
J.C




