“Tonga dia mihatra avy hatrany io lalàna vaovao io”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, momba ny lalàna famaizana ny mpanolana zaza tsy ampy taona, taorian’ny fanombohana ny taom-pitsarana 2024 teny Anosy, omaly. 600 ny tranga fanolanana, taona 2023, ary 133 tamin’ny volana janoary no ho mankaty. Izay no nahatonga ny fitondram-panjakana nanapa-kevitra hoe hamafisina ary asiam-panovana ny fanasaziana ny amin’izany. Amin’ny ankapobeny, mihamafy ny fanasaziana. Raha asa an-terivozona 5 taona taloha, ohatra, lasa mandra-pahafaty izany amin’ izao raha latsaky ny folo taona ny zaza voaolana. Fanovana lehibe koa ny famosirana simika na amin’ny fandidiana, ny hampisehoana ho hitan’ny fiarahamonina izay nanao ny fanolanana. Asa an-terivozona mandra-pahafaty koa ny famerenan-keloka, ny fanolanana ataon’ny olona maromaro, ny heloka atao ao anatin’ny fianakaviana…
Miakatra ny tahan’ny voafonja voatsara, araka ny tatitry ny filoha voalohan’ny mpampanoa ambony eny anivon’ny fitsarana an-tampony. Tafakatra 52% izany eny Antanimora. Marina fa 70% ny fenitra iraisam-pirenena. Nefa raha oharina amin’ny taha hatramin’ izay, efa niakatra izany. Mbola misy ny ezaka atao. Ny vinan’ ny fitsarana amin’izao: mitombo avo roa heny ny asa vita. Ahoana ny mbola hampitomboana izany misimisy hatrany? Vitsy ny isan’ny mpitsara mitaha amin’ny raharaha miditra. Nefa raha ampitahaina tamin’ ny taona 2022, nitombo avo roa heny ny asa vita.
R. Nd.




