Mitohy ny fanadihadiana ny mpamilin’ilay kamiaobe nandona olona ka nitarika fahafatesana lehilahy iray teny Ambohimanarina, afakomaly. Lehilahy iray 24 taona no nofaohin’ny kamiaobe teo Ambohimanarina, tamin’io fotoana io. Naratra noho ny dona mafy nahazo azy ity lehilahy ity ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana eny Anosivavaka. Nafindra tao amin’ny hopitaly HJRA ilay niharam-boina. Saingy, fotoana fohy taorian’ny nahatongavany teny amin’ny hopitaly, tsy avotra intsony ny ainy. Tonga teny an-toerana ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana (Brigade des accidents) Tsaralalàna, nanao fizahana ny zava-nisy teny an-toerana. Notazonina nanaovana fanadihadiana avy hatrany ilay mpamily namoa-doza. Nilaza ilay mpamily nandritra ny famotorana azy fa tsy nahita ilay olona raha tsy efa voadonany. Miandry ny fianakaviany ao amin’ny tranom-patin’ny HJRA kosa ny razana.
J.C