Fiatrehana ny fifidianana: mitaky tokotany madio ny MMM

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianaina­rivelo Hajo, omaly, tamin’ny tambajotran-tserasera fa na­nana kandidà hatrany ny antoko tarihiny. Niatrika fifidianana tao anatin’ny 10 taona nijoroana. “Tsy maintsy miomana handray anjara koa na ho ela na ho haingana amin’ny maha antoko. Takina hatrany kosa anefa ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara”, hoy izy. Nanteriny fa resy tanteraka ny firenena sy ny taranaka rehefa halatra no handresena amin’ny fifidianana.
Etsy andaniny, nambarany koa fa tena mirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao. Nahitsy ny fanehoan-keviny fa tsy tongatonga ho azy izany. “Eo ny toekarena marisarisa sy ny tsy fisian’ny asa miforona ka mampitotongana ny fari-piainan’ny Malagasy maro”, hoy izy. Manampy trotraka izany koa, ny fahalainan’ireo mpampiasa vola eto an-toerana sy avy any ivelany. Manjaka tanteraka ny kolikoly amin’ny sehatra samihafa eto amintsika, araka ny nambarany. “Ha­naovan’ny sasany ampihimam­ba ny orinasa mba mihodina tsara ka hakatona raha tsy mandoa volabe”, hoy ihany izy.
Ankoatra izany, tsy voafehy intsony ny mpiasam-panjakana sasany, indrindra ny ao amin’ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana. Mihevitra ho tsy maty manota satria ny mpitondra no mampiasa azy amin’ny tsy ara-dalàna. Efa mpanitsakitsaka ny lalàna velona rahateo anefa ireo mpitantana.

Synèse R.

Partager sur: